Close
Panier de Cours
Fampianarana mitendry Gitara
Ho an'ny Mpihavao "Debutant"
Jereo eto
Atolotr'i Fabrice Rabary
Nalaina avy amin'ny Methode noforonin'i RNR Gitara
Jereo eto

Lesona fototra maimaimpoana

Afaka arahinao n'aiza n'aiza
Na oviana na oviana

Natao ho an'ny rehetra

Inona moa ity Gitarako ity ?

Gitarako dia tranonkala sy takelaka Facebook/Youtube natao hiresahana, manodidina ny Gitara Klasika. Ary indrindra hifampizarako amintsika ny fankafizako ny Gitara, misy fampianarana ho antsika mpihavao eo amin’ny sehatry ny gitara, mba hahafahantsika mandray an-tànana ny gitarantsika.

Amin’ny maha fampianarana amin’ny fomba fitendry klasika azy, dia hitantsika ato avokoa ireo teknika maro isan-karazany ahafahana mitendry araka ny tokony ho izy ny Gitara Klasika. Teknikan’ny tànana havia (main gauche), tànana havanana (main droite), ny tain-dalitra (notion Solfège), ny fomba fanisana ny paika (Tempo), ny Tablature sns. Mizara roa sady mifampitohy ny fampianarana, ka ny tapany voalohany dia natao ho anao izay maniry te hahay hanaraka hira na mpitendry “Accompagnement”, ary ny tapany faharoa kosa dia natao ho anao izay te handeha lavidavitra eo amin’ny sehatry ny Gitara Klasika.

Feon-kira mampiala voly

Avia Hilalao (Barijaona) - Guitare

Where do I Begin - Guitare

Game of throne - Guitare

Te hahay hamaky sy hitendry Tain-dalitra (Solfège) ?

Ny Gitara ve ? LOVAKO

Tamin’ny faha 14 taonako aho no nandray gitara voalohany, ary tena vao nanomboka mihitsy tamin’izay. Ny Dadatoako Ndrina Rémi Ramamonjisoa, nampiana-tena tamina boky nolovainy tamin’ny Dadabe-ny (Razafimanantsoa Pierre avy ao Mantasoa) no nampianatra ahy. Efa mpitendry Gitara Klasika avokoa izany ireo Raiamandreniko tany aloha. No sady Mpampianatra taloha tao amin’ny CNEM ihany koa i R. Ndrina R.. Nànana faniriana ny hamoaka boky izay ahafahana mampiana-tena mitendry Gitara izy ny taona 1993 saingy noho ny enti-manana dia tsy tontosa izany. Ity tranonkala ity dia mifototra feno amin’io fampianaran’i R. Ndrina R. io, nomeny ny anarana hoe “Methode autodidacte de guitare”.

Vonona ve ? Andao atomboka avy hatrany ary e !

Hiditra amin'ny kaontiko
Fenoy ny solonanarana sy tenimiafina ahitanao ny Lesona
Mot de passe oublié
Saisissez votre adresse de messagerie ou votre identifiant et nous allons vous envoyer les instructions pour réinitialiser votre mot de passe.